Tily: Ireo antontanisa tsara ho fantatra

Namoaka ny antontanisan’ireo Tily ny filohan’ny Foibe Tily eto Madagasikara, izay anisan’ny tombana ataony tao anatin’ny 400 andro nitantanany. Nisongadina ny fitomboan’ny mpikambana manana karatra satria mahatratra 29 476 ny isan’ny mpikambana Tily manana izany amin’izao fotoana. Niakatra 15% izany raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Hiakatra 5% isan-taona no tanjona napetraka.
Raha ny salanisa, miisa 9 842 964 ny skoto aty Afrika, raha 4,7 tapitrisa izany, ny taona 2022. Niohatra ny 10% tamin’ny tanjona napetraka.
Ho an’ny Firaisan’ny skotisma eto Madagasikara kosa dia miisa 14 590 ny Antilin’i Madagasikara ary 22 158 ny Kiadin’i Madaagsikara.
Seha-pitaizana ankizy sy tanora mahomby ny Tily. Miavaka ny ankizy nandalo ny fibeazana ao anatin’ireny. Mameno ny fitaizana izay tsy hita ao an-tokantrano ny fibeazana rantovina any amin’ny fanaovana tily. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fitaizana tanora mihitsy, araka izany, ny Tily ary mamolavola ho olom-banona.

Tatiana A

Partager sur: