Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, omaly, ireo olona telo tratra nandroba teny amin’ ny tranombarotra China Mall Ankazomanga, ny alin’ny alakamisy 25 septambra 2025 lasa teo. Niakatra fampanoavana omaly, tetsy anivon’ny fitsarana moa izy rehetra ireo ka izao naiditra am-ponja izao. Mbola mitohy hatrany ny fisamboran’ny brigade anti-pillage ireo olona mikasa handroba mandritra ny hetsika fidinana an-dalambe ataon’ny mpitolona.
Zazalahikely valo taona, mpiandry omby, hita faty tsy nisy maso intsony tany amin’ny sisintany mampisaraka an’i Betioky sy Mahavoky, ao amin’ny fokontany Ankilivalosy Ankiliarivo, ny alarobia teo. Raha ny fantatra, efa tsy hita nanomboka ny talata lasa teo io zaza io. Efa natao ny fikarohana azy ka izao hita faty izao. Efa mandray ny raharaha ny mpitandro filaminana.
Zandary mivady nisy namono tetsy Anjanahary, omaly. Nanao ankajo sivily ilay zandary ary nivoaka teny an-dalana niaraka tamin’ny vadiny. Nisy niantsoantso sy nilaza fa zandary izy ireo ary nitambaran’ny olona novonoina sy nodarohana. Vokany, naratra mafy ilay zandary ary efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly.
Nahita vola latsaka mitentina 345 000 Ariary tany amin’ny lalam-pirenena faha-35, tao amin’ny kaominin’ Ankilizato, distrikan’i Mahabo, faritra Menabe, ny lehilahy iray, omaly. Nanteriny tany amin’ny tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana ireo vola very ireo. Andrasana hoany amin’ny biraon’ny zandary ny tompony, mitondra ny fanamarinana.




