Lalao roa no natrehan’ny ekipa malagasy “Nosy Bé”, ny faran’ny herinandro teo, ao anatin’ny fifaninanana “World Tour Shenzhen Chine”, taranja basikety 3×3, natao tany Chine. Rakotonirina Fiary Jonhson 1m 98 (kapiteny), Rakotovao Marco 1m 86, Rasolonandrianina Hasina 1m96, Arimanana Kanto Damie 1m96, ireo no nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Raha ny vokatra indray, fandresena iray sy faharesena iray no azon’ny Malagasy. Teo amin’ny lalao voalohany, isa 21 no ho 20 no nandresen’ny ekipa malagasy “Nosy Bé” ny ekipan’ny Somobor avy any Croatie. Lalao tena niady ary nanohitra tanteraka ny mpilalao malagasy tao anatin’izany. Taorian’izay, niatrika ny lalao nanoloana ny Brisbane avy any Australie indray ny ekipa malagasy. Faharesena somary navesatra ihany no azon’ny “Nosy Bé” nandritra izany, ka isa 20 no ho 6 no azon’i Australie, ekipa efa kalaza sy manana traikefa. Raraka tamin’ny lalao niadiana ny tapakila ho amin’ ny ampahefa-dalana, araka izany, i Madagasikara. Na teo aza izany, nahazo traikefa izy ireo ary vonona ny hanarina ny lesoka.
Mi.Raz




