Hiverina an-tsekoly ny ankamaroan’ny mpianatra ho an’ny anio raha ny toromariky ny mpitantana ny toeram-pampianarana eto an-dRenivohitra. Tsy misy ny antoka anefa fa hilamina ny toe-draharaha, ny mpitarika ny hetsika fitakiana mandrangaranga fa tsy miato izany hatreto. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny momba ny fiahiana ny zanany handeha any an-dakilasy. Alefa any ihany vao maraina ka arakaraka ny zava-misy no handraisan’ny tomponandraikitra fepetra arahina. Matetika, miditra amin’ny 7 ora ka mianatra hatramin’ny 10 ora maraina ny mpianatra fa ravaina aorian’izay hisorohana ny olana eny am-podiana.
Ireo manana kilonga madinika nandray fanapahan-kevitra fa hitazona azy ao an-trano aloha indrindra ireo mandeha lavitra mandray fiara fitateram-bahoaka.
Ireo sekoly manakaiky ny faritra ahitana fihetsiketsehana no tojo olana ao anatin’izao savorovoro izao. Ho sarotra ity taom-pianarana ity hoy ny talen-tsekoly iray satria vao miandoha dia tsenain’ny korontana. Ny fanapahana maharitra ny fampianarana koa dia hisy fiantraikany amin’ny mpianatra indrindra amin’ny fifantohana rehefa hiverina any an-dakilasy. Entanina ny ray aman-dreny hanara-maso ny famerenan-desona any an-trano mba tsy ho very izay voaray.
Vonjy




