Kianja Barea Mahamasina: Ho avy hijery azy ny Caf

Araka ny tsilian-tsofina, ho avy eto Madagasikara amin’ny tapak’ity volana oktobra ity, ireo manam-pahaizana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf). Hijery ifotony ny kianja Barea Mahamasina ny anton-diany eto mba haha­zoana fankatoavana. Tsiahivina fa anisan’ny notakian’izy ireo ny fanatsarana ny bozaka filalaovana. Teo koa ny amin’ireo efitrano fisoloana akanjo, ny toerana ho an’ny mpanao gazety, ireo tohatra fivoahana avy eny amin’ny «gradin», ny vavahady sy ny hafa. Marihina fa efa maro ireo fanamboarana natao.
Anisan’ny votoantin-dresaka ho entin’ny filohan’ny Federa­sionina malagasy (FMF), Randriamanampisoa Alfred, any amin’ ny fivoriamben’ny Caf tanterahina any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, manomboka anio io fangatahana fankatoavana ny kianja Barea Mahamasina io. Hita mantsy fa fahavoazana ho an’ireo klioba niatrika ny fifaninanana afrikanina farany teo, ny tsy filalaovana eto Madagasikara. Volabe no lany hiatrehana izany any ivelany nefa tsy misy tamberiny ho azy ireo akory.

Tompondaka

Partager sur: