Taranja iray anisan’ny mivoatra sy hain’ny Malagasy ny taranja Échecs. Efa mitombo be ihany koa ny misehatra amin’ity lalaon-tsaina ity ankehitriny ka vao maika mpampiakatra ny lentan’ny Échecs eto Madagasikara.
Anisan’ny ahitana taratra ny fiakaran’ny lentan’ny taranja iray ny fisian’ireo taniketsa izay hoavin’ilay taranja. Manana izany ny taranja Échecs raha ny hita amin’izao fotoana izao. Porofon’izany ny habetsahan’ny fandraisan’anjaran’ny ankizy sy ny tanora amin’ny fifaninanam-pirenena sy ny fifaninanana iraisam-pirenena.
Miatrika fiadiana ny tompondaka maneran-tany
ny Malagasy
Miakatra tsikelikely ny taninketsa sy hoavin’ny taranja Échecs eto Madagasikara. Matetika no miatrika fifaninanana iraisam-pirenena ny mpilalao Échecs malagasy, indrindra nanomboka tamin’ny taona 2024. Fiadiana ny tompondaka maneran-tany roa no nahitana sy hahitana solontena malagasy tao anatin’ny iray volana. Amin’izao fotoana izao, tontosaina nanomboka ny 3 hatramin’ny 16 oktobra, any Albanie, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Échecs, sokajy “Jeunes”. Manana solontena i Madagasikara. 6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes ity. Ny sokajy latsaky ny 14 taona, 16 taona ary 18 taona no hifaninana ka hananan’i Madagasikara solontena avokoa. Eo amin’ny U14, Rabarison Ny Andolalaina Fitia Noah, Tojomalala Sombin’ Aiko (Guest) ary Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra no handray anjara. Andrianarivony Sitraka Irvin Keynnan sy Lalasoa Miarana Irinah kosa no Malagasy hifaninana eo amin’ny sokajy U16. Ilay mpilalao échecs vao nandrombaka ny fandresena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, farany teo, Randriatsiferana Dimbiharentsoa Christiana, kosa, no solontena malagasy eo amin’ny sokajy U18, amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany, hatao any Albanie ity. Efa nanomboka omaly ny fifaninanana teo amin’ny fihodinana voalohany ary ho ampitaina miandalana eto ny vokatra.

Malagasy 2 nifaninana tany Almati Kazakhstan
Ny 18 hatramin’ny 30 septambra lasa teo, mbola nisy mpilalao malagasy roa ihany koa nifaninana nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy “Cadets”, tany Almati Kazakhstan tamin’ny alalan-dRazafindrano Raphaël, sokajy latsaky ny 10 taona sy Ramorasata Diary Vetsovetson’Anjomara, teo amin’ny sokajy latsaky ny 12 taona. Ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Échecs, Ramalanjaona Andrianantenaina no nitarika ny delegasionina tamin’izany. Mpilalao 18 taona no nahazo ny tompondakan’i Madagasikara, vehivavy. Fifaninanana eo amin’ny taranja Échecs efa fanao isan-taona ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny sokajy vehivavy. Tsiahivina, tontosa ny volana septambra, teny amin’ny CGM Analakely ity fifaninanana ity. Mpifaninana 22 no nandray anjara izay nahitana fandraisana anjaran’ny klioba 13 (MCG, CGM, ICA, Mahats’Art, Chess King Vakinankaratra, Elite Bongolava, Ankatsuki, ACC, IKM Chess Club, CCT, KOM, ACSA), avy eto Analamanga, Bongolava ary Vakinankaratra ity fifaninanana nasionaly ity. Porofon’ny fisian’ny taninketsa hatrany ny vokatra tamin’izany satria tanora 18 taona no nahazo ny anaram-boninahitra, dia i Dimbiharentsoa Christiana. Izy no solontenan’i Madagasikara miatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin’ny sokajy latsaky ny 18 taona hatao any Albanie amin’izao fotoana izao. Tafiditra anatin’ny politikan’ny Federasionina mala-gasin’ny taranja Échecs mihitsy ny fanomezana lanja ny ankizy ary mampirisika hatrany izy ireo mba hankafizan’ny ankizy sy ny tanora ity taranja ity.
Nanatontosa: Miarintsoa.Raz




