Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo sy ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy. Tom-banana hahatratra 55 km isan’ora izany. Nanomboka omaly,
teo anelanelan’i Itampolo sy Taolagnaro ary hitohy anio eo anelanelan’i Vohemar sy ny
tanjona Bobaomby. Mety hisy ny fahasarotan’ny fifamoivoizana sy faharendrehana an-dranomasina ary ny fikorontanan’ny asa fihariana andavanandro. Nahazo fampitandremana miloko mena ao Itampolo hatrany Taolagnaro. Fampitandre-mana miloko mavo ho an’i Vohemar hatrany amin’ny tanjona Bobaomby.
Hikorontana ny toetry ny andro eny an-dranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo sy atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo na atsimo atsinanana. Tombanana hahatratra 2,5 hatramin’ny 3,5m ny haavon’ny onja. Nanomboka omaly hatramin’ny anio ny fampitandremana miloko mena ho an’i Morombe hatrany amin’ny tanjona Angotsy. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina hanaraka tsy tapaka ny toromarika atolotry ny tomponandraikitra eny ifotony satria hahery ny ranomasina.
Vonjy




