Tsipy kanetibe: Fantatra ireo tetiandrom- pifidianana

Hovitaina amin’ity taona 2025 ity avokoa ny fanavaozana ireo komity mpitantana eo anivon’ny taranja tsipy kanetibe, ho an’ny ligy sy ny federasionina. Araka izany, hitsahatra amin’ny asany ireo filohan’ny ligy sy ny an’ny Federasionina malagasy (FSBM) manomboka ny 15 oktobra ho an’ny ligy raha ny 13 novambra ny an’ny federasionina.

Notontosaina ny 26 septambra lasa teo, teny amin’ny ANS Ampefi­loha, ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny federation sport boule malagasy (FSBM). Fo­toana nandinihina sy nanapahana daty hanatontosana ireo fifidianana isan-tokony. Nana­trika izany, ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny komity olympika malagasy (COM) ary ireo filohan’ny ligim-paritra rehetra. Taorian’ny fankatoa­vana ny sata sy ireo an-dalan-tsoratra mifehy ny fifidianana, natolotra ireo olona telo mandrafitra ny vaomieram-pifidianana. Hitarika izany, Rama­nan­­draibe Olivier Solondra­zana sy solontena avy amin’ny minisi-tera sy ny COM. Tapaka àry fa hatao ny 6 desambra ny fifidianana ho an’ireo ligim-paritra miisa 7 efa nisy teo aloha sy ny vaovao eo anivon’ny faritra ka nahafeno ny fepetra. Ny 27 desambra 2025 ny an’ny federasionina.
Araka izany, hitsahatra amin’ny asany avokoa ireo ligim-paritra manomboka ny 15 oktobra raha 13 novambra izany ho an’ny filoha mpitantana ny FSBM.
Ireo filoha lefitra no hisahana vonjimaika ny fampandehanan-draharaha mandra-pahavitan’ny fifidianana ka hisian’ny filoha vaovao na eo anivon’ny ligy izany na ho an’ny federasionina.
Ireo klioba manana ny taratasy fanamarinana avy amin’ny minisitera’ny Fanatanjahantena natao taorian’ny volana aogo­sitra 2021 ihany no afaka mifidy. Mila manavao izany, ireo na­hazo izany talohan’io fotoana io ka maniry handatsa-bato. Izany dia ampiarahina amin’ny taratasy fanamarinana andraikitra. Ireo klioba nitsangana taorian’ny 1 jona 2025 fotoana nahavitan’ny fifaninanam-pirenena ho an’olon-droa dia tsy afaka mifidy.
Ireo filohan’ny ligy 7 vaovao izay efa nisy telo aloha ihany no mifidy izay ho filohan’ny federasionina.

Tompondaka

Partager sur: