Tao amin’ny rindrin’ny tambajotra sosialin’ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazana eto Analamanga (Dren) no nanamafy ny fanambarana fa mbola miato aloha ny fampianarana amin’ny sekoly ambaratonga voalohany sy garabola, nanomboka omaly ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano ary ny Cisco Ambohidratrimo.
Mahatsiaro ho ankilabao hatrany ireo olona manana fahasembanana manoloana ny hetsi-bahoaka fitakiana. Tsy mba afaka hidina an-dalambe haneho hevitra noho ny hery tsy mitovy izy ireo. Efa hatry ny ela izy ireo no iharan’ny tsy rariny mitovy amin’ny antson’ny tanora ankehitriny, saingy amin’ny endrika henjana kokoa.
Mivadibadika ny toetry ny andro. Nafana be ny herinandro teo, ary namirifiry indray omaly. Fotoana mampirongatra ny gripa ny fiovaovan’ny toetr’andro ka mila miaro tena sy mapiakatra ny hery fiarovana ny rehetra. Apetaka ny arovava sy orona raha voan’ny gripa mba tsy hanaparitaka ny aretina amin’ny hafa.




