Mpiasan’ny fahasalamana: Manameloka ny herisetra atao eny amin’ny tobim-pahasalamana

Miray feo ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanajana ny asany. Mitaky ny fahatsiarovan-tenan’ny mpitandro filaminana mba tsy hiverina intsony ny fihetsika mamohehitra toy ny niseho ny herinandro teo, izy ireo.

Nanohina ny fon’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny marary ny zava-nitranga nisesy teny anivon’ny hopitaly nataon’ireo mpitandro filaminana, nandritra ny fanenjehana ireo mpanao fitakiana eny an-kianja.
Nanao fanambarana ny filankevi-pirenen’ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasi­kara. Teo koa ny filan-kevitry ny Holafitry ny infirmiera sy ny Holafitry ny farmasianina. Manameloka ny herisetra mi­anjady amin’ny mpitsabo eo am-panatanterahana ny asa­ny sy ny fanakorontanana mety mitranga eny akaikin’ny toeram-pitsaboana izy ireo. Sady manenlingelina ny asan’ny mpitsabo izany no manakorontana ny fandriampahaleman’ny marary ihany koa, raha ny nambaran’izy ireo.

Voararan’ny lalàna iraisam-pirenena ny fanaovana herisetra amin’ny mpiasan’ny fahasalamana eo am-panatanterahana ny asany, na inona na inona endriny, na aiza na aiza misy azy. Voarara koa ny fidirana an-keriny eny amin’ny toeram-pitsaboana ka miteraka fanohintohinana ny asa fitsaboana. Manaja ny fihanianana izay nataony ny dokotera sy ny infirmiera, raha ny fantatra, dia ny fikarakarana ny marary rehetra tsy ankanavaka ka mangataka ny hamelana azy ireo hiasa am-pitoniana.
Lasibatry ny herisetran’ny mpitadro filaminana ny hopitaly sy ireo marary ary ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny entona mandatsa-dranomaso alefan’ireo mpitandro filaminana manakaiky hopitaly.
Marary mila fitoniana sy mikatsaka fahasitranana ireo tsaboina nefa sempotry ny baomba indray. Nisy mihitsy aza zaza namoy ny ainy vokatr’izany.
Tetsy andaniny ny rahom-bava sy ompa nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpiandry marary sarotiny amin’ny ain’ireo tsy salama karakarainy.

Tatiana A

Partager sur: