TSELATRA

Mpitandro filaminana roa naratra vokatry ny tora-bato tany Toamasina, omaly, nandritra ny hetsiky ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Barikadimy. Mpianatra roa hafa koa naratra vokatry ny fipoahana baomba mandatsa-dranomaso. Mpianatra dimy hafa voasambotra. Nikasa hivoaka ny faritry ny Oniversite ireo mpianatra, afakomaly, nefa tsy nahazo alalana hatrany.

Nitrangana halatra omby tany akaikin’ny tanà­nan’ny QMM Dingana II, Soaitegna, kaominina Soa­nierana, distrikan’i Tolagnaro, afakomaly tamin’ny 11 ora sy 30 alina. Tonga nijery ny zava-misy ireo polisy manao fisafoana avy amin’ny ekipan’ny UIR Tolagnaro, taorian’ny antso. Natao ny fanarahan-dia ary nifanehitra tamin’ny polisy teny Ambinanibe ireo olon-dratsy. Nitifitra avy hatrany ireo dahalo. Raikitra ny fifanjevoana ary tafaporitsaka ireo olon-dratsy raha navelan’izy ireo teo ny omby.

Voasambotry ny polisy tany Ambositra, afakomaly, ny lehilahy iray nahatrarana vola sandoka. Nahitana vola sandoka miisa 40 tany aminy, izay misanda 20 000 Ar isanisany. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy fa misy olona mitondra sy manaparitaka vola sandoka manodidina ny faritra Avaratr’i Bénédictine Ambositra. Notanana ao amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny Polisy ao Ambositra izy. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana.

Partager sur: