Vokatry ny savorovoro : Mihena ny vola miditra amin’ny mpiasa tena

Sahiran-tsaina ireo olona miasa tena ao anatin’izao toe-draharaha mafana eto an-dRenivohitra izao. Misy fiantraikany amin’ny fidiram-bolan’izy ireo ny savorovoro.

Mitondra faisana vokatry ny savorovoro miseho amin’izao fotoana izao ireo mpanao asa tanana mi­ahy tena, indrindra ny eto Anta­nanarivo. Anisan’izany ireo mpanao volo sy mikoja ny endrika amam-bika. Nihena ny vola miditra satria tsy ma­zoto manatona “salon” ny olona hanapaka volo. Vao ni­andoha ny korontana ka ha­tramin’izao, antsasa-manila sisa ny olona mikarakara volo sy tarehy ary mihena an-dalana isan-kerinandro izany. Tsy niakatra ny saran’ny tolotra samihafa fa ny olona mihitsy no mitsitsy ny tahiry eo an-tanana ka ampandeferina ny zavatra hafa rehetra.
Sahirana vokatr’izany ireo mpiasa satria rehefa tsy tapaka ny jiro sy ny rano, fitaovana tena ilaina, ny mpanjifa indray no tsy hita. Ny hetra nefa aloa tsy tapaka ahafahana manohy ny asa am-pilaminana.
Torak’izany koa ireo mpan­jaitra, mihisatra ny kaomandy amin’izao fotoana izao, ka zara raha misy iray isan-kerinandro. Mahazo vahana rahateo ny varotra friperie mora eny an-tsena ka mamono ny mpanjaitra madinika.
Ny tena olana, miakatra avokoa ny vidin’ny akora ampi­asaina amin’ny zaitra sy ny taovolo ary ny endrika amam-bika. Nanampy trotraka ny fandrobana nihatra tamin’ny mpivarotra maro teto an-dRenivohitra. Ireo Malagasy mpandraharaha salantsalany sy madinika koa tojo olana, maro ireo mpanjifa nampiato ny kaomandy (entana, fitaovana) noho ny fandrobana nihatra taminy. Ny fanarenana ny orinasa no laharam-pahamehana ahazoana mandoa ny karaman’ny mpiasa, izay ma­rihina efa nahena ny isany. Tsy manana olona hitarainana ireo mpiasa tena, mpandraharaha. Manantena izy ireo fa hisy fivoarana ny toe-draharaha satria mamono ny fiharian’izy ireo ny savorovoro misy ankehitriny.

Vonjy

Partager sur: