Nisy fivoriana niarahana tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tao amin’ny CEG sy Lycée Morarano, Ihosy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nampahafantarin’ny mpiasan’ny fahasalamana avy ao amin’ny DRS Ihorombe sy SDSP Ihosy ny maha zava-dehibe ny fisorohana azo atao amin’ny areti-mifindra. Tafiditra amin’izany ny fanaovana vaksiny iarovana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ho an’ny zazavavy 9 hatramin’ny 14 taona, eo koa ny fisorohana ny aretina IST/VIH amin’ny fanaovana fitiliana ary ny fanabeazana atao ho an’ny tanora isorohana ny vohoka aloha loatra.
Tsy nitazam-potsiny ireo farmasianina manoloana ny traboina rehetra noho ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao. Mivondrona izy ireo manangona izay voatsirambin’ny tanana entina hanampiana amin’ny fitsaboana ny marary sy ny maratra rehetra. Efa vonona ny santionany voalohany
amin’izay voaangona tamin’ny malala-tanana samihafa. Mbola miantso ireo rehetra afaka mandray anjara, araka izay fahafahany avy, ny Holafitry ny farmasianina. “Mandray anjara avokoa ny ambaratonga rehetra eo amin’ny tontolon’ny farmasianina, ahitana ireo zokiny indrindra sy ny zandriny indrindra, hatreny amin’ny anjerimanontolo”, hoy ny fanambarana.
Nametraka lamina vaovao ahafahana mandefa lesona sy fizarana amin’ny mpianatra ny mpitantana ny sekoly Esca mandra-pilamin’ny toe-draharaha eto
amin’ny firenena.




