Na teo aza ny fanambaran’ny mpampianatra ao amin’ny Lycée moderne Ampefiloha fa miato ny fampianarana noho ny fitakiana samihafa, nisy ireo tonga nanohy ny asany omaly ka nizotra tsara ny tapak’andro maraina. Nitohy ny fandaharam-potoana ho an’ireo tany an-dakilasy sy niatrika ny taranja fanatanjahantena ary nohidina toy ny mahazatra ny faritry ny Lycée, araka ny fanazavan’ny Proviseur.
Sadaikatra ny sain’ny mpianatra ao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) sy ny ray aman-dreny manoloana ny fitokonana ataon’ny mpampianatra ao an-toerana. Tapak’andro ihany no mianatra ny mpianatra manomboka izao rehefa nifandinika ny Proviseur sy ny mpampianatra. Mijanona any an-trano ny mpianatra ary mikatona ny sekoly ny hariva. Antony ny fahasahiranan’ny mpianatra amin’ny fodiana noho ny fitokonana. Ny faritry ny sekoly ihany no voaaron’ny mpitandro filaminana amin’ny atoandro fa ny mpianatra eny an-dalana kosa tandindomin-doza. Mirava amin’ny 11 ora atoandro avokoa ny mpianatra ao amin’ny LMA.
Etsy andaniny, ny mpampianatra sy ny mpandraharaha ao amin’ity Lycée ity dia manao fitakiana ho famerenana ny hasin’ny mpanabe sy ny fanabeazana ka hampiato ny fampianarana sy fandraharahana. Takin’izy ireo ny fampiakarana ny karazana tambin-karama izay tokony hifanaraka amin’ny vanim-potoana misy. Tokony hiakatra 300 000Ar ny solona hofantrano, eo koa ny fandraisana mpiasam-panjakana…
Tatiana A




