Mitondra fanazavana mahakasika ny sampandraharahan’ny radiothérapie, ao amin’ny CHU HJRA ny Dr Razanadahy Tahina, oncologue, radiothérapeute.
Fitsaboana ny aretina homamiadana amin’ny alalan’ny taratra ny radiothérapie, araka ny fanazavana nentin’ny Dr Razanadahy Tahina. Tsy ny vatana iray manontolo no tarafina fa ny faritra misy ny homamiadana ihany. Ny 70% ny taham-pahavoazana dia mandalo radiothérapie avokoa.
Miara-miasa hatrany amin’ ny chimiothérapie sy ny fandidiana ary ny hormonothérapie na ny fitsaboana ny homamiadana amin’ny alalan’ny “hormone” ny fanaovana radiopthérapie. Azo atao ao aloha na aorian’ny chimiothérapie ny radiothérapie. Azo atao ao aloha na aorian’ny fandidiana ihany koa anefa izany.
Tanjona ny hampiakarana ny taham-pahasitranan’ilay olona mararin’ny homamiadana. Anisan’ny tena raisina an-tanana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ary ny fivoahan’ny maloto. Ho an’ny lehilahy kosa dia ny homamiadan’ny vihy.
Amin’ny maha taratra ny fitsaboana, tsy azo atao daozy ambony be ny ampidirina amin’ny marary fa alefa tsikelikely. Izay no mampa ela ny fitsaboana. Isan’andro ny fanaovana radiothérapie ankoatra ny asabotsy sy alahady ary ny andro tsy fiasana.
Misy sampan-draharaha roa ny radiothérapie, ka ao amin’ny HJRA ambadiky ny Ste Fleur ny iray ary any Befelatanana ny iray. Ny sampandraharaha radiothérapie ao amin’ny HJRA ihany no ho an’ny rehetra ary miankina amin’ny fanjakana izay tokana eto Madagasikara.
Azo tsaboina tsara ny aretina homamiadana raha voatily mialoha. Rehefa misy fambara toy ny fivontosana na mandeha ra lavareny dia manatona tobim-pahasalamana. Mila manao fitilana matetika ihany koa fa tsy voatery miandry fisehoan’ny fambara. Tsy tokony handrasana miparitaka ny aretina vao manatona dokotera.
Tatiana A




