INDRAY MIJERY

Tanterahina amin’ity herinandro ity, mane­rana ireo Dren 23, ny atrikasa fampahafantarana sy fifanakalozana momba ny tetikasa manohana ny fizakan-tenan’ny ankizivavy sy ny vehivavy “Eager”. Tan­jona ny hanatsarana ny fari-pahaizana sy ny fidiram-bolan’izy ireo. Mbola hisy ny fitsirihana sy fisafidianana ireo zatovovavy hisitraka ny tohana fampianarana sy ireo vehivavy 18 hatramin’ny 35 taona hisitraka fana­tsarana fidiram-bola. Ny Fid no hanatanteraka ny asa, izay haharitra efa-taona. Ny Banky iraisam-pirenena kosa no hamatsy vola izany.

Miroso ny fandaharanasa “Fijery Hafa” amin’ ny faritra Fitovinany. Mifantoka amin’ny fiompiana akoho manatody lava sy ny fianarana teny espagnol ny fiofanana amin’ity andiany faharoa ity. Manampy ny tanora hanamafy ny fahaiza-manao sy hiditra tsikelikely amin’ny tontolon’ny asa ny hetsika. Nisongadina koa ny fitsidihana ny Ferme École Tombotsoa, nahafahan’ izy ireo nianatra sy nahazo traikefa mivantana amin’ny fiompiana matihanina.

Tsy ho marin-toerana hatrany ny atmosfera any amin’ny ilany andrefan’ny afovoan-tany ary hiitatra tsikelikely amin’ny faritra sasany amin’ny afovoantany sy ny faritra atsimon’ny Nosy izany, ny sabotsy ho avy izao, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.

Partager sur: