Niombom-peo, omaly, tetsy amin’ny HJRA, ireo mpiasan’ ny fahasalamana am-perinasa tsy manaiky voarebirebin’ny resaka politika fa manao ho zava-dehibe ny asa fitsaboana. Nahitana dokotera, mpampivelona, infirmiera, dokotera farmasianina, mpandraharaha, mpitantana, dentiste ary teknisianina ara-pahasalamana ireo nanao fanambarana.
“Zo fototra ny mitaky sy maneho hevitra, saingy atao am-panajana izany”, hoy ny mpitondra teny, Dr Haja Rasolomanantsoa. Araka ny sata mifehy ny sendikà, miaro ny zon’ny mpiasa ary manelanelana azy ireo amin’ny mpitantana no andraikiny. Tsy anjaran’ny sendikà ny manaisotr’ olona na mangataka fanesorana na fametrahana olona fa misy tomponandraikitra mahefa eto amin’ny firenena manatanteraka izany ary hajaina sy toavin’izy ireo izany.
Tsy fitadiavana seza na fitadiavana tombontsoa manokana ny sendikà.
Tokony havahana tsara ny fiainana manokana sy ny fiainana arakasa. “Melohinay ny herisetra atao amin’ny mpiasan’ny fahasalamana manao ny asany. Toherinay ny fanenjehana ny mpiasan’ny fahasalamana noho ny hevitra tsy mitovy”, hoy ny fanambarana.
Tsy fitaovana fialokalofana amin’ny ratsy ny sendikà. Ny sehatry ny fahasalamana dia mitaky fahatokisana sy fitoniana ary fiaraha-miasa amin’ny rehetra. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ireo vonon-kiasa mba hiaro azy ireo amin’ny fanatanterahany izany.
Tatiana A




