Hanatanteraka fivoriambe ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra (Seces) eto Antananarivo, anio, eo amin’ny Esplanade Ankatso. Hiakanjo mainty sy fotsy na ny toge izy ireo amin’izany.
Marihina fa mijoro manohana ny hetsiky ny tanora maniry ny hitondra fanovana ny Seces. Efa nilaza fa manana ny drafi-pitantanana sy paikadim-pirenena ary tetikasam-pampandrosoana hamoahana ny firenena amin’izao krizy izao ihany koa izy ireo. Tsy nandray anjara tamin’ny fihaonana tamin’ny filoham-pirenena ny Seces noho ny mbola fanjakan’ny herisetra eny an-kianja amin’ireo mpanao fitakiana. Mampitsahatra ny fampianarana eny amin’ny oniversite ny mpampianatra vokatry ny tolona. Ny mpianatra rahateo eny an-kianja ny ankamaroany.
Manana ny maharary azy ny sehatry ny fampianarana ambony ary samy te haneho izany na ireo mpianatra na ireo mpampianatra na ireo mpandraharaha amin’ny oniversite.
Tatiana A




