CHU Gob Befelatanana: Sempotry ny lakrimozenina ny zaza vao teraka

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny mpitantana ny hopitaly fiterahana CHU Gob Befe­latanana sy ireo mpiara-miasa rehetra manoloana ny herisetra sy ny faniratsirana ny zon’ireo zaza menavava sy mpiteraka ary marary tsaboina ao amin’ny hopitaly.
Nihamafy ny herisetra ny alakamisy teo ary tena nihatra aman’aina amin’ireo olona manaraka fitsaboana sy mpiteraka ao an-toerana izany. Tafiditra ao amin’ny toeran’ny hopitaly mihitsy ny baomba mandatsa-dranomaso alefan’ny mpitandro filaminana.
Sempotra ny zazakely vao teraka sy ny reny vao tera-bao. Sahirana ireo miandry marary manavotra ny havany. Mananosarotra ny asan’ny dokotera sy ny rasazy amin’ny entona ateraky ny baomba tafiditra ao an-toerana. Satria, mitarika aretina hafa ho an’ny marary ny entona manempotra. Mivarahontsana ny mpampiasa ny toeram-pitsaboana amin’ny bala tafiditra any anaty hopitaly.
Mitaky tsy misy hatak’andro amin’ireo tomponandraikitra ny hampitsaharana ny horohoro atao amin’ny marary sy ny mpiara-miasa ary ireo mpila raharaha any amin’ny toeram-pitsaboana ny mpitantana ny CHU Gob Befela­tanana. Toerana saro-pady ny hopitaly ka tsy tokony hanaovana herisetra sy habibiana.

Tatiana A

Partager sur: