Fanimbazimbana ny aina sy ny marary: Manambatra feo ireo holafitra amin’ny sehatry ny fahasalamana

Nanao fanambarana iombonana ireo holafitra amin’ny sehatry ny fahasalamana, omaly, teny Nanisana. Miombom-peo izy ireo amin’ny fanoherana ny herisetra atao eny amin’ny tobim-pahasalamana sy hopitaly.

Nahitana ny filohan’ny Holafitry ny farmasianina, ny mpampivelona, ny mpitsabo nify sy ativava, ny dokotera ary ny infirmiera ireo nanao fanambarana, omaly.
“Manoloana ny raharaha mafana atrehin’ny firenena, miray feo ireo holafitra. Nisy ny maty ary maro ny maratra noho ny tolona. Manan-danja ny aina na amin’ny lafiny finoana na amin’ny maha olona, fa indrindra ho antsika Malagasy, ka tsy tokony ho atao tsinontsinona”, hoy ny Dr Rabemananjara Daniel, filohan’ny Holafitry ny nify sy ny ativava, mpitondra teny.
Maro ireo olona tsy salama any amin’ny toeram-pitsaboana sy ny mpikarakara azy, indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana voakorontana amin’ny fanatanterahana ny asany.
Maneho ny fahavononany amin’ny fanatanterahana ny adidiny ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny famonjena ny ain’ny marary.
Manameloka ny olona rehetra mitazam-potsiny manoloana ny fahavoazana miseho, na olon-tsotra izany, na mpitolona na mpiasan’ny fahasalamana, izy ireo. Efa nanao fianianana ireo mpiasan’ny fahasalamana fa handray an-tanana ireo tra-doza tonga eo anatrehany ka adidiny izany fa tsy tokony hitazam-potsiny izy ireo.
Manameloka koa ny fampiasan-kery ataon’ny mpitandro filaminana eny amin’ny toeram-pitsaboana amin’ny endriny rehetra mihitsy. Manao tsinontsinona ny adidy masina iantsorohan’ny mpiasan’ny fahasalamana ny fanakorontanana azy ireo am-perinasa.
Manohitra marindrano ny fampiasan-kery sy ny fanakorontanana na avy amin’iza na avy amin’iza ireny toeram-pitsaboana rehetra ireny ireo holafitra.
Mangataka ny fiarovana ny mpiasan’ny fahasalamana, ny hopitaly sy ny manodidina azy ny fiombonan’ny holafitra ao anatin’ny fahasalamana. Manana adidy feno mitandro ny aina sy ny fahasalamam-bahoaka ny rehetra.

Tatiana A

Partager sur: