Hahatongavana amin’ny tanjona : Harovana amin’ny vohoka tsy irina sy ny herisetra ny zatovovavy

Tanora voaaro amin’ny vohoka tsy irina sy ny herisetra, tonga amin’ny tanjona iriany no antony nametrahana ny sehatra ho an’ny zatovovavy (15-17 taona) tany Vondrozo, niarahan’ny Unicef sy ny minisitera enina.

Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny zatovovavy sy ny ankizivavy, anio. Andro hampivoarana ny zony amin’ny sehatra maro, toy ny fisitrahana fanabeazana sy fahasalamana. Nandritra ny sehatra ho an’ny zatovovavy natao tao amin’ny distrikan’i Vondrozo, ny 18 ka hatramin’ny 21 septambra lasa teo, niaraka amin’ny lohahevitra Fahaleovantenan’ny ankivavy sy fampanana asa, anisany ny fisorohana ny vohoka aloha loatra. Nitondra fanentanana mifototra amin’ny lohahevitra telo ny sampandraharaham-paritry ny fahasalamana ao Atsimo Atsinanana. “Misy ny lalàna mamaritra ny fahafahan’ny tsirairay misafidy ny fandrindram-piterahana araka ny filany nefa ara-pahasalamana. Misy ihany anefa ny ambana raha tsy mbola ampy taona ilay zatovovovy”, hoy ny tomponandraikitry ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindram-piterahana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, faritra Atsimo Atsinanana, Rabesata Josiela.
Any an-tsekoly, tsy afaka miresaka fandrindram-piterahana izy ireo fa ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo mihitsy, mialoha ny fanambadiana, araka ny toromariky ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena no antitranterina any. Nisy naoty manokana navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana novambra 2023 momba ny fanabeazana ara-pananahana feno eny anivon’ny sekoly rehetra. Entanina ireo zatovovavy hanatona ny CSB sakaizan’ny tanora, ahitana olona voahofana manokana handray azy ireo. Mandritra ny fitsaboana manatona vahoaka ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana, manararaotra manentana ireo tanora koa izy ireo momba ny resaka fananahana ara-pahasalamana. Eny amin’ny CSB sy ny hopitaly, misy hatrany ny fanentanana mialoha ny hirosoana amin’ny fanaovana fandrindram-piterahana ho an’ireo vonona.
Mizara roa ny fomba fanentanana

Nozaraina roa mazava ny fanentanana ho an’ny zatovovavy tao Vondrozo dia ny ho an’ireo 100 efa niala an-daharana sy ireo 100 mbola mianatra ao amin’ny CEG Vondrozo. Ho an’ireo zatovovavy tsy mianatra intsony, nomena fahalalana momba ny fandrindram-piterahana araka ny tokony ho izy sy ny filany izy ireo. Hisorohana ny fitondrana vohoka tsy irina ka mety hitarika amin’ny famonoan-tena sy fanalan-jaza izay mbola voararan’ny lalàna manankery eto amintsika izany. Ao anatin’ny faritra Atsimo Atsinanana, 17% ny tahan’ny fampiasana fandrindram-piterahana ho an’ny sokajin-taona 10 hatramin’ny 19 taona.
Sahirana ihany ny tomponandraikitra any an-toerana manoloana ny lohahevitra fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindram-piterahana satria tsy tena misokatra tanteraka ny mponina na efa maro aza ny fandresen-dahatra ny olobe sy ireo ampanjaka momba izany.
Ny finoana katolika rahateo tsy manaiky ny fikirakirana ny fanafody fandrindram-piterahana ankoatra ny fomba ara-boajanahary.
Mandritra ny fanentanana ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana eny ankalamanjana, rehefa misy ny tolotra fahasalamana manakaiky vahoaka, mitondra fanafody fandrindram-piterahana izy ireo. Misy ireo vehivavy na zatovovavy voaentana ka manao fa mbola maro koa no manatona ny CSB noho ny henatra.

Partager sur: