Mitohy ny fanatanterahana ny fandaharanasa “Fijery Hafa” ao amin’ny faritra Itasy, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Notanterahina tao amin’ny kaominina Ambatomanjaka ny fiofanana momba ny fiompiana trondro anaty dobo sy an-tanimbary. Nampiharina tao amin’ny Akany zandarimaria Arivonimamo ihany koa ny fiofanana momba ny Pisciculture hors sol.
Napetraka eo anivon’ny faritra Vatovavy, ao Mananjary, ny paikady hiadiana amin’ny haromotana. Nisy ny fivoriana notarihin’ny Préfet ao Mananjary niaraka tamin’ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana maro ao amin’ny faritra, tamin’ity herinandro ity. Hatao vaksiny faobe ny alika sy ny saka, izay arahin’ny famonoana faobe ireo biby tsy vita vaksiny. Nentanina, araka izany, ny rehetra hanao vaksiny ny alika sy ny biby fiompy ao an-trano ho fiarovana amin’ny haromotana.
Nozaraina ny taratasim-bola mirakitra ny fiantoham-panampiana roa volana fahadimy sy fahenina ho an’ireo mpampianatra ENF avy amin’ny ambaratonga fototra ao amin’ny Cisco Manakara. Efa nivoaka koa ny taratasim-bola mirakitra ny fiantoham-panampiana an’ireo mpampianatra ENF ao amin’ny Cisco Farafangana. Nisitraka izany ireo mpampianatra amin’ny kilasy Garabola miisa 16. Roa volana kosa ho an’ireo mpampianatra 274 isa amin’ny fanabeazana fototra sy mpampianatra efatra eny anivon’ny kolejy.




