Safe space : Hanomezana torohevitra amin’ny fandrindram-piterahana

“Ankoatra ny fanentanana ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ho an’ny zatovovavy momba ny fananahana ara-pahasalamana, napetraka iha­ny koa ny toerana manokana ahazoan’ny zatovovavy mi­resaka mivantana (safe spa­ce) amin’ny mpitsabo, nandritra ny forum. Raisina ao ireo ankizivavy manana hetaheta manokana na mila torohevita sy fanazavana momba ny fahasalamany. Ankoatra ny fandraisana an-tanana ireo tsy salama mandritra ny forum”, hoy ny lehiben’ny mpitsabo ao amin’ny CSB Karianga, Randrianasolo Tiana. Betsaka ireo zatovovavy no manontany momba ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fadim-bolana. Tsy hanavahana fa samy liana avokoa na ireo mbola any an-dakilasy na ireo efa niala an-daharana. Ho an’ireo efa mampiasa fanafody fandrindram-piterahana, nila torohevitra izy ireo mifandraika amin’ny zavatra miseho amin’ny vatany. Tsy vitsy koa ireo nitady fanazavana momba ny zava-mahadomelina sy ny vokany eo amin’ny vatana sy ny saina. Nentanina izy ireo hanatona ny CSB sakaizan’ny tanora raha mbola misy zavatra manitikitika azy ireo amin’ny fotoana rehetra.
Ho an’ny CSB Karianga manokana, hanatonan’ny zatovovavy ny toeram-pitsaboana ny resaka fandrindram-piterahana. Efa miditra amin’ny firaisana ara-nofo ny ankamaroan’ny tanora amin’izao fotoana, ka ny torohevitra hisorohana ny vohoka sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana no omena azy ireo.

Nanatontosa : Vonjy

Partager sur: