TSELATRA

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny lalam-baovao Rocade, omaly hariva. Fiara Mazda iray no nandona moto iray nijanona tao anaty fitohanana teny an-toerana. Vokany, naratra mafy ny lehilahy roa nitaingina io kodiaran-droa io ary nahitana fahasimbana ihany koa ilay moto nentin’izy ireo. Efa nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly moa ny naratra taorian’ny tranga.

Olona iray no voasambotra ary voatazona eny anivon’ny zana-tobim-paritra Antanety II Vontovorona, amin’izao fotoana izao. Voarohirohy tamin’ny famonoana ilay renim-pianakaviana mipetra-drery tetsy Ampivele­zandrano, Vontovorona, ny alarobia 9 oktobra lasa teo. Notsetseman’ny olon-dratsy Chiffon jaune sy nahitana tsindron’antsy in-12 isa ny vatan’io ramatoa io.

Tovolahy iray tratra nanendaka ramatoa be teny Ivato K4, afakomaly alina tamin’ny 8 ora sy fahefany. Nenjehin’ny fokonolona izy ary tratra. Rehefa nojerena, baiboly ny zavatra azony ka naveriny tamin’ny tompony. Natolotra ny mpitandro filaminana kosa io mpangalatra io taorian’izay.

Vehivavy iray teny Itaosy nodoran’ny zandary iray ny volony, ny 26 septambra lasa teo. Nohitsahina tamin’ny tongony avy eo ny lohany mba hamonoana ny afo, raha ny nambaran’ny Maître Eric Rafidison. Nitsoaka ny entona mandatsa-dranomaso teny an-toerana ireo olona maromaro ary nenjehin’ireo zandary.

Partager sur: