Toetra iray mampiavaka ny tomponandraikitra eto Madagasikara, tsy amin’ny raharaham-panjakana ihany, fa hatramin’ny fitantanana ny fanatanjahantena ny tsy fahafahana manapa-kevitra. Tsy maintsy miandry lehibe vao afaka manao zavatra, na hatramin’ny bitika indrindra aza. Aza manao angady tanimanga ê, ka tsy mahatapaka ahitra ary ny famaky banga no tsy mahalavo hazo.
Ekena fa misy tokoa toe-javatra na tranga ilaina ny hevitry ny lehibe. Matetika anefa manao tahaka ny hazo iray lohasaha tsy mitovy haavo. Koa aza manao angady tanimanga, tsy mahatapaka ahitra sy famaky banga, tsy mahalavo hazo.
Zava-misy hita amin’ireo mpitondra federasionina koa ny tsy fahaizana mitsinjara fahefana fa tiany ho avangongo eo an-tanany avokoa ny fitantanana rehetra, indrindra ny resa-bola. Sary fahatsiarovana fotsiny ny filazana imasom-bahoaka ny toerana sy ny andraikitr’ireo mpikambana fa ny filoha ihany no mandidy manapaka ka zary lasa angady tanimanga, tsy maha tapaka ahitra sy famaky banga, tsy mahalavo hazo, ireo mpikambana.
Ny tena loza, raha misy manohitra izany na mametra-panontaniana ny amin’ny antom-pisian’izy ireo, ao anaty komity mpitantana, avy hatrany dia «Oust». Toe-tsaina efa nilaozan’ny andro mazava. Tahaka ny tsingala latsaka am-po izany, kely ihany fa singotry ny aina. Koa aza manao angady tanimanga, tsy mahatapaka ahitra.
Mosavy hita maso anefa ny mahita sombin-kazo eo imason’ny namana nefa tsy miteny. Toy ny lahiantitra miaka-piakarana izany, ny lamosina vokoka, ny lohalika mangovitra, ny maso manjavona, ny tena sempotra, koa aza manao angady tanimanga, tsy mahatapaka ahitra sy famaky banga, tsy mahalavo hazo.
Tompondaka




