Hotontosaina ny 1 sy 2 novambra izao, any Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Karate, ho an’olon-tokana, sokajy Cadet, Junior ary Senior, eo amin’ny Kata sy Kumite. Ligy 20 no handray anjara, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina ny Karate-do malagasy. Ahitana ny ligin’i Diana, Boeny, Betsiboka, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Vakinankaratra, Menabe, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Ihorombe, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana. Manampy izany ny Cosfa, CosPN ary CSKap. Tsiahivina, nozaraina ho fotoana samihafa ny fifaninanam-pirenena ho an’olon-tokana sy ny ho an’ny ekipa. Io hatao any Antsirabe, amin’ny volana novambra, io ny ho an’olon-tokana ary hotanterahina ny volana desambra izao kosa ny fiadiana ny ho tompondaka, ho an’ny ekipa, izay hatao any Antsiranana, raha ny fanazavana avy amin’ny federasionina hatrany. Mbola tafiditra anatin’ny fanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara ihany koa ireto fifaninanana nasionaly hoavy ireto. Etsy ankilany, manohy ny fanazaran-tena sy fanomanana ireo Malagasy mpikatroka hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, eo amin’ny sokajy Senior ireo lalao ireo.
Mi.Raz




