Lycée maromaro: Mitokona ny mpampianatra

Efa nanao fanambarana ny amin’ny fampitsaharana ny fampianarana hatramin’ny herinandro teo ka mampihatra ny « service zero » ny Lycée maromaro. Nisantatra izany ny LMA Ampefiloha, ny Lycée Jules Ferry Faravohitra, ny Lycée Ivato…

Tsy manaiky ny hampianatra ireo mpampianatra ary nampahafantatra ny mpianatra sy ny ray aman-dreny mahakasika ny fitsaharan’ny fampianarana.
Iraisana ny fitakian’izy ireo dia ny hamerenana ny hasin’ny mpanabe izay voahitsakitsaka sy natao ankilabao. Maro ny fampiakarana tambin-karama takin’izy ireo ary miandry ny fampiharana izany vao hiverina an-dakilasy.

Tsy tokony hojabahan’ny mpanao politika ny asa fanabeazana. Fampidirana ho mpiasam-panjakana ireo nivoaka tamin’ny ENS….Eo koa ny fampiakarana ny karama sy ny tambin’ny hofantrano.
Ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo eo Analakely sy ny LMA Ampefiloha izay amin’ny toerana misy ny hetsi-bahoaka ka ho fiarovana ny ain’ny mpampianatra sy ny mpianatra ihany koa no antony nampitsaharana ny fampianarana.

Tatiana A

Partager sur: