Tsy toy ny tamin’ny sokajy lehilahy fa niveri-maina ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, vehivavy. Nihintsana tany amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny olon-telo miaraka, raha teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny fifaninanana mitifitra «tir de précision».
Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nifarana omaly, tany Douaisis, France. Nody maina i Madagasikara tamin’ity. Tsy nisy namokatra na teo amin’ny fifaninanana mitifitra na ho an’ny lalao ho an’olon-telo miaraka.
Resy teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana, ny sabotsy lasa teo, ny ekipa malagasy. Lavon’i France 2 tamin’ny isa tery 13 no ho 10 ny ekipan’i Cicine. Lalao nampitsanga-mitoetra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Efa nitarika tamin’ny isa 10 no ho 8, avy eo nosahalain’ny frantsay ary nihoarany mihitsy ka lasa 12 no ho10, saingy tratran’ny Malagasy indray izany. Teo no nivoaka ny fahaiza-manaon’ny frantsay, izay nahavita nanao «carreaux» indroa. Nisy fotoana tokony nibatan’ny Malagasy fandresena, saingy diso tany amin’ny taktika izy ireo. Lesoka izay efa nitranga tamin’ny ekipa lehilahy ny tsy fahaizana mampiasa izay taktika izay ka manome tombony ho an’ny mpifanandrina.
Na izany aza, nidera ny Malagasy mpilalao i Sandrine Poinsot, tamin’ny endri-dalao nasehon’izy ireo, izay nampitaintaina sy niady hatramin’ny farany. Raha tsiahivina ny lalana nodiavin’ny ekipa malagasy tamin’ity. Fandresena efatra sy faharesena iray, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona. Ankoatra izay, andrasana ny fanazavan’ny federasionina ny antony nanoloana an’i Marinah, tsy ho ao anaty ekipam-pirenena.
Teo amin’ny fifaninanana mitifitra, «tir de précision», natao ny zoma indray, tapitra teo amin’ny ampahefa-dalana ny lalan’i Fana. Niondrika teo anatrehan’ilay espaniola, Diaz Reyes Sara, tamin’ny isa 31 no ho 13.
Tompondaka




