Vaksiny Anti-HPV : Natao ho an’ny ankizivavy mbola virijiny

Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ho an’ny ankizivavy 9 ka hatramin’ny 14 taona, manerana ny Nosy.
Efa nisy ny fitetezam-paritra nataon’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana na­nentana tamin’ny toerana rehetra sy ny sekoly ho fandresen-dahatra ny tanora eo amin’io taona io sy ny ray aman-dreny hampirisika ny zanany hanao izany vaksiny izany.
Ireo ankizivavy 9 taona ka hatramin’ny 14 taona ihany no afaka atao vaksiny satria araka ny fanadihadiana natao dia io aloha no henjehina amin’ity andiany voalohany ity fa mbola hodinihina ireo salan-taona hafa. Tsy mandaitra ilay vaksiny raha efa tsy virijiny in­tsony no atao azy, raha ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Tsy mbola misy eto Ma­dagasikara ny vaksiny miaro amin’ny homamiadan’ny vo­zon’ny tranon-jaza voatokana ho an’ireo efa nanao firaisana ara-nofo na efa tsy virijiny intsony. Azo atao kosa ny manao fitiliana ny amban’ny aretina manomboka ny faha-25 taona.
Araka ny fandresen-dahatry ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka, azo antoka ilay vaksiny satria efa vita sedra sy nankatoavin’ny fandaharanasan’ny Firenena mi­kambana momba ny fahasalamana (OMS). Ambany ny ambana mey hahazoan’ny ankizivavy iray ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza any aoriana any raha dieny izao izy no hatao vaksiny.

Tatiana A

Partager sur: