Notanterahina ny herinandro lasa teo ny famoahana ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026. Tanjona ny hampahafantarana ara-potoana ny fizotry ny fahavaratra ho an’ny mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka.
Andrasana ny atrikasam-pirenena hatao mivantana amin’ity volana ity. Vinavinaina hifanakaiky amin’ny tokony ho izy ny vanim-potaonan’ny rivodoza amin’ity taona 2025-2026 ity. Tokony hanodidina ny 1 hatramin’ny 3 ny isan’ireo rivodoza mety hisy fiantraikany mivantana ho an’i Madagasikara. Samy ahina ny hisiana rivodoza mety hiditra an-tanety avy any Atsinanana sy avy any Andrefana.
Noho ny fiovan’ny toetr’andro amin’izao anefa, rivodoza mahery vaika iray ihany dia efa mety hiteraka voka-dratsy goavana. Araka izany, ampirisihina sahady dieny izao ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny vanim-potoanan’ny rivodoza toy ny fanao isan-taona.
Ho an’ny fiandohan’ny fahavaratra mandritra ny oktobra sy novambra, ho latsaky ny tokony ho izy ny rotsakorana any ho an’ny faritra Androy sy ny tendrony atsimon’ny faritra Atsimo Andrefana. Noho ny tsy fahampian’ny rotsakorana, ahina ny mety tsy fahampian-drano amin’ny faritra Androy sy atsimon’ny faritra Atsimo Andrefana mandritra ny volana oktobra hatramin’ny novambra ho avy izao. Hihitatra ho an’ny faritra Androy izany ho an’ny volana janoary 2026.
Ho betsaka kosa ny tahan’ny rotsakorana ary ahina ny mety hisian’ny tondradrano ny volana janoary 2026 amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara, indrindra ny faritra Diana, Sava, Vatovavy, Fitovinany ary ny avaratry ny faritra Atsimo Atsinanana. Mbola ahina izany tranga izany ho an’ny faritra Diana sy Sava ho an’ny volana avrily 2026.
Mahakasika ny maripana, hafana noho ny tokony ho izy, saika manerana ny Nosy, ankoatra ny faritra Androy, ny tapany atsimon’ny faritra Atsimo Andrefana sy Anosy, izay hifanaraka na hafana noho ny tokony ho izy ny maripana ho an’ny fiandohan’ny fahavaratra.
Vonjy




