INDRAY MIJERY

Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Tombanana hahatratra 55 km isan’ora izany. Manom­boka anio vao maraina ny eo anelanelan’i Itampolo sy Taolagnaro ary Vohemar sy ny tanjona Bobaomby. Nahazo fampitandremana miloko mavo ao Itampolo hatrany Taolagnaro, Tanjona Bobaomby hatrany Vohemar. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika atolotry ny tomponandraikitra eny ifotony.

Nanatanteraka hetsika varavarana misokatra entina nitondra tolotra ara-pahasalamana marolafy ho an’ny vahoaka ny CHRD tao Vohemar. Hetsika maneho fahavononana sy fandraisana andraikitra nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony, ary tanjona ny nisitrahan’ny vahoaka tsy an-kanavaka fitsaboana sy fikarakarana sahaza azy. Maro izy ireo no nisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, porofo fa tsy misalasala ny vahoaka rehefa manakaiky azy ny
fitsaboana.

Natokana ho an’ny antso hanaovana hetsika sy asa mialoha ny fahatongavan’ny voina ny Andro iraisam-pirenena ho fampihenana ny tandindon-doza amin’ ity taona ity, nomarihina omaly. Lohahevitra noraisina ny « Fametrahana sorabola ho an’ny fiomanana hisorohana ny vokatry ny voina ». Mitentina amina miliara dolara ny faharavana sy fahasimbana ateraky ny voina samihafa miseho, eo koa ny famoizana aina maro.

Partager sur: