Maternite Befelatanana: Tsy mandray marary sy mpiteraka vaovao

Tsy ampy ny paramedy sy ny internes mikarakara ny marary. Izy ireo anefa no tena mandray an-tanana ny fitsa­boana sy tena akaikin’ireo mpila raharaha eny. Miato ny fandraisana marary ao amin’ny CHUGO Befelatanana.

Nitsotra ny zava-misy marina ny mpitantana ny Centre hospitalier universitaire de Gynécologie obstétrique de Befelatanana (CHUGOB) na ny hopitaly fi­terahana eo Befelatanana, ara­ka ny fahaizan’ny maro azy.
Tsy mandray marary vaovao intsony ny hopitaly na­nomboka ny faran’ny herinandro teo. Any amin’ny hopitaly hafa manodidina no mandray marary fa izy ireo tsy afaka manao izany intsony noho ny tsy fahampian’ny mpiasan’ny fahasalamana man­dray an-tanana.
Efa nisy ny resaka nifanaovan’ny tomponandraikitra ta­min’ireo marary mbola tsaboina ao mahakasika ny zava-misy. Eo koa ny fandaminana iarahana amin’ny toeram-pitsa­boana hafa manodidina mba handraisan’izy ireny ny ma­rary mila manohy fitsaboana.
Niangavy ireo tobim-pitsaboana eny amin’ny manodidina mba tsy handefa marary ao amin’ny CHUGOB intsony aloha ny tomponandraikitra mandra-pahatonga ny fandaminana vaovao.
Miverina mandray marary kosa ny hopitaly raha vao feno ny fepetra farafahakeliny ilaina hampihodina azy ho fitsinjo­vana ny marary sy ny mpiara-miasa.
Marihina fa efa nanao fa­nambarana ireo paramedy fa tsy afaka ny hanohy ny asany noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eo amin’ny fanatanterahana ny asany sy ny toeram-piasana. Eo koa ny tsy fisian’ireo mpiara-miasa hafa (internes, internes qualifiants) hikarakara ny marary.
Tsy maintsy niroso amin’ ny fanapahan-kevitra ny hampiato ny fandraisana marary, araka izany ny hopitaly, noho ireo antony ireo.
Hatry ny faran’ny herinandro teo, niveri-maina ireo ma­rary sy mpanara-maso ny vo­hoaka mikasa hiteraka ao amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana. Tao koa anefa ireo nisafidy avy hatrany ny hifindra amin’ny hopitaly hafa, taorian’ireo herisetra niseho­lany teny an-toerana.

Tatiana A

Partager sur: