TSELATRA

Zazalahy telo taona namoy ny ainy rehefa latsaka tao anatin’ny dobo, teny amin’ny kaominina Tanjombato, afakomaly, tamin’ny 3 ora tolakandro. Lavaka biriky niandronan’ny rano io lasa dobo io ka nahafaty ilay zaza.
Ankizy roa lahy hamonjy fianarana any amin’ny CEG Ambolotara, distrikan’i Fandriana, hifampitadiavan’ny fianakaviany, nanomboka omaly. Hitan’ny olona teny an-dalana ny kitapo sy fitaovam-pianaran’izy roa lahy. Niampy soratra tamin’ny taratasy nilaza fa nentina nandositra izy ireo.
Miatrana hatrany eny an-kianja ny ekipan’ny polisim-pirenena misahana ny fandriampahalemana hisoro­hana ny mpanararaotra. Nanamafy ny minisitry ny Fila­minam-bahoaka fa mijanona ho mpiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo.
Natao veloma farany teny amin’ny Kianjan’ny
13 mey, omaly, ny vatana mangatsiakan’i Safidy, iray ta­min’ireo sivily maty voatifitra nandritra ny hetsika nataon’ny Gen Z, ny sabotsy 11 septambra lasa teo.

Partager sur: