Amin’izao fotoana izao, misy ny fampandehanan-draharaha eny amin’ny inspection du travail. Mandalo eny avokoa ny fanomezan-dalana momba ny firosoana amin’ny “chômage teknika”, araka ny lalàna. Betsaka ireo mpanara-maso ny asa mandamina manoloana ny fahaverezana asa vokatry ny fandrombana.
Mitady vahaolana miaraka amin’ny mpampiasa simba fihariana koa izy ireo. Miaro ny mpiasa amin’ny tsindry mahazo azy ireny ny sendikà.
Manamafy ny sendikà mahaleo tena ny mpanara-maso ny asa (Inspecteur du travail) eto Madagasikara fa vonona hitady drafitrasa hamerenana ny hasin’ny asa sy ny fampananana asa eto Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’ny mpikambana ao aminy, omaly, teny Antsahavola. “Miara-miombona amin’ny tolona ho an’ny fitakiana ny fampanjakana ny zo fototra sy fanovana rafitra eto Madagasikara ny sendikà. Sendikà voalohany nijoro rahateo tamin’ny mpiasa-pajankana nanatevina ny tolona nataon‘ny tanora Gen Z ny sendikan’ny mpanara-maso ny asa”, hoy ny filohan’ny sendikà, Ravelomahatratra Rojomampionona. Mahatsapa izy ireo fa natao ankilabao hatrany ny tontolon’ny asa sy fampananana asa hatramin’izay. Efa nisy ny fitakiana teo aloha nilazana ny tsy fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny mpiasam-panjakana nataon’ny fanjakana ankehitriny.
Ny taona 2005 no nampiharina ny politika manokana mahakasika ny fampananana asa. Tsy nisy intsony izany ankehitriny noho ny tsy fisian’ny fahavononana politika. Tokony haverina ny politikan’ny fampanana asa satria zava-dehibe, hoy ny fanambarana.
Nisy fitakiana niraisan’ny mpanara-maso ny asa rehetra manerana ny Nosy ny taona 2020 amin’ny famoahana ny sata manokana mifehy ny inspecteur de travail ahafahana miantoka fahaleovantena eo am-panatanterahana ny asa. Mbola manan-kery koa io fangatahana io amin’izao fotoana izao.
Momba ny fanovana rafitra, tokony homen-danja ny teknisianina hisehatra ao anatiny ary tsy hisy teritery fa hanatanteraka ankalalahana ny asany ireo mpanara-maso ny asa. Mpiasam-panjakana ambony nivoaka teny amin’ny Enam hiadidy ny fandrindrana ny asa fampananana asa izy ireo.
Vonjy




