Fifandonana teo amin’ny mpianatra tany Maninday Toliara, afakomaly tolakandro. Nahatratra efatra ireo olona naratra. Mpianatra roa no niandohan’ny disadisa. Nitarika korontana teo amin’ny vondron’ny mpianatra avy amin’ny faritra Menabe sy Androy izany ary nitarika tamin’ny faharatrana. Nandray andraikitra mahakasika ny raharaha ny teo anivon’ny oniversite sy ny federasionin’ny mpianatra.
Raim-pianakaviana iray 45 taona, hita faty tao amin’ny trano hazo iray tany atsimon’Andranomaimbo, Antsirabe, omaly maraina. Nisara-bady efa ela izy io ary nivarilavo tamin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. Efa tsy salama ihany koa izy ka nitarika ny fahafatesany. Efa tonga teny an-toerana ny avy amin’ny BMH sy ny mpitsabo ary ny fianakaviany.
Nitrangana lozam-pifamopivoizana tetsy Ambohitrimanjaka, omaly hariva tamin’ny 6 ora sy sasany. Moto iray no nianjera sy nitrosona tamin’ny arabe. Vokany, naratra mafy ny olona nitondra ilay moto ary efa noentina nihazo ny hopitaly. Raha ny fantatra, nandeha mafy io kodiaran-droa io ka tsy nianjera.




