Minisiteran’ny Mponina: Mijoro mitaky fanovana ny sendika

Niray feo ny mpiasan’ny minisiteran’ny Mponina mivondrona ao anatin’ny sendika, omaly, fa mitaky fanovan-drafitra ihany koa ho fanarenana ny tontolon’ny asa ao amin’ny minisitera.

Mijoro miady amin’ny fanavakavahana sy ny fampizarazarana ny mpiasa ny sendika. Mikendry ny fametrahana ny Corp ho an’ny mpiasa ihany koa. Mikatsaka ny tombontsoan’ny mponina, indrindra ireo marefo sy voailikilika eny anivon’ny fiarahamonina, ny mpiasan’ ny minisiteran’ny Mponina. Takina koa ny fandraisana ireo hevitry ny mpiasa sy ny sendika amin’ny fandrafetana ny rafitra isan’ambaratonga. Eo koa ny fijerena ny karazana tambin-karama isan-karazany.

Rafitra fototra amin’ny fampandrosoana ny maha olona ny minisitera. Iray tsy mivaky ny mpiasa manerana ny Nosy. Misy hatrany ny asa fototra iandraiketana na dia ao anatin’ny savorovoro aza ny firenena. Anisan’izany ny fiarovana ny zon’ny zokiolona, ny zon’ny olona manana fahasembanana, ny zon’ny ankizy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy sy ny miralenta. Ankoatra izany, ny fanatanterahana ireo tetikasa iaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka, fiahiana ara-tsosialy sy fanohanana ireo fi­kambanam-behivavy. Misy ny sendika eo amin’ny minisitera miaro ny zon’ny mpiasa sy
ny tombontsoa iombonan’ny mpiasa.

Tatiana A

Partager sur: