Taorian’ny korontana : Niverina amin’ny fiainana andavanandro ny rehetra

Vao maraina, nitohana ny fifamoivoizana teto an-dRenivohitra fa namonjy ny asa aman-draharaha ny mponina, toy izany koa ny mpianatra. Nisokatra avokoa ny toeram-pivarotana samihafa teny afovoan-tanàna sy ny manodidina.

Niverina amin’ny fiainana andavanandro indray ny vahoaka taorian’ny toromariky ny filoham-panjakana fa tokony hiasa sy hia­natra amin’izay ny rehetra. Ho an’ny fampianarana, ny herinandro vaovao no hanohizana ny fandaharam-pianarana sy hamaritana ny fanatrarana ny fetr’ora banga noho ny fiatoana nandritra ny telo herinandro. Arahana ny fandaminana efa napetraka mialoha hatramin’ ny rahampitso fa amin’ny ala­tsinainy no miverina amin’ny fandaharam-potoana ma­ha­zatra. Ny sekoly tsy miankina sasany namerina ny mpianatra amin’ny tapany maraina manomboka ny sabotsy izao, ny hafa miverina hariva ny alarobia hamenoana ny ora, manomboka amin’ny herinandro ambony. Manana ny la­mina ny tsirairay fa tanjona ny hampitovy lenta ny fahaizana azon’ny mpianatra rehetra.
Ny sekoly manaraka ny rafi-pampianarana frantsay nampihatra ny fianarana am­pitain-davitra. Hiverina amin’ ny fidirana an-dakilasy kosa, manomboka amin’ny herinandro vaovao, izy ireo.
Ho an’ny asa, mbola marisarisa ny fidiran’ny vola indrindra ho an’ny mpiasa tena. Ireo very asa sahirana mitady fivelomana vaovao satria vitsy ny orinasa mandray mpiasa amin’izao fotoana izao.
Samy miaina ny fahatapahan-drano sy jiro ihany ny to­kantrano maro eto an-dReni­vo­hitra indrindra ny alina. Mitohy ny fiainana andavanandro.
Manantena ny isan-tokantrano fa hilamina ny fiainam-pirenena manomboka eto ka ho afaka hifototra amin’ny fi­ha­riana amin’izay ny daholobe. Miakatra miandalana tsy ta­paka koa ny vidin’ny kojakoja ilaina andavanandro.

Vonjy

Partager sur: