Centre Médical Kintana Ambatomena: Vehivavy 945 voaentana momba ny homamiadana

Efa amin’ny antsasa-dalana ny hetsika “Octobre rose” sahanin’ny Fondation Akbaraly, amin’ny fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, ho an’ny vehivavy.

Mahatratra 945 ireo vehivavy voaentana momba ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza sy ny fitiliana teny amin’ny Centre Médical Kin-tana Ambatomena, araka ny fanazavana azo. Manantena ny mpiandraikitra ny hetsika fa hitombo avo telo heny izany hatramin’ny faran’ity volana ity, satria ny vehivavy vita fitiliana dia fandresena amin’ny ady atao.
Mbola afaka manatona ny tobim-pahasalamana telo: Centre Rex Ambatolahikisoa- Fianarantsoa, Hopitaly Can­dide Antanimasaja- Maha­janga ary ny Centre Médical Kintana Ambatomena, Anta­nanarivo ireo vehivavy vonona hotiliana. Ho an’ny eto Anta­nanarivo, misokatra manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina hatramin’ny 12 ora atoandro ny toeram-pitsaboana eny Ambatomena.
Ankoatra ny fitiliana, na­nomboka ny 8 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, miara-miasa amin’ny Carrefour Ma­dagascar ny Fondation Akba­raly amin’ny fanentanana ny fisorohana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy. Ampi­risihina hanao fitiliana amin’ny alalan’ny sora-tanana eo amin’ny petadrindrina ny vehivavy. Ho an’ny hafatra iray eo amin’ny petadrindrina, mandrotsaka 5 000 Ar ho an’ny Fondation ny magazay Carre­four Madagascar.
Fitsapana nono
Entanina koa ny vehivavy rehetra hitsapa nono, herinandro aorian’ny fadim-bolana. Ny toromarika fanaovana azy: mijoro manoloana ny fitaratra ary mijery tsara raha misy fiovana hafahafa, faritra mivoaramena, fivontosana, fiovana tahaka ny hodim-boasary ny nono. Zarai­na faritra efatra ny nono ary atsangana ambony ny tanana mifanitsy amin’ilay nono. Amin’ ny rantsana telo, tsapaina moramora sy faritana boribory ireo faritra efatra ary henoina tsara sao misy mamatovato. Atao toy izay koa ny ao ambany helika. Farany potserina moramora ny lohanono ary jerena sao misy tsiranoka mivoaka tampoka.

Vonjy

Partager sur: