Misitraka ny tetikasa “Wish 2” ny faritra Vakinankaratra sy Menabe, iarahana amin’ny Fisa Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana ho an’ny tanora.
Nanaovana fakan-kevitra ireo tanora hahenoana ny hetahetany mahakasika ny fanatsarana ny resaka fananahana ara-pahasalamana. Tamin’izany no nahafantarana ny vina sy ny faniriany momba ny fahasalaman’ny fananahana.
Nampahafantarina ny karazana tolotra misy ireo tanora hahafahan’izy ireo miaro tena amin’ny karazana aretina mety ho azo amin’ny firaisana sy ny hafa.
Natsangana ny vondron’ny tanora mpikatroka hisehatra ao anatin’ny tetikasa Wish 2 ao amin’ny faritra Vakinankaratra sy Menabe.
Marihina fa tetikasa mikendry ny tanora sy ny vehivavy ary ny olona manana fahasembanana sy ny marefo ny “Wish 2”.
Misy koa ny fanofanana omena ny ekipan’ny tobim-pahasalamana amin’ny faritra iasan’ny tetikasa. Fanatsarana ny fahaiza-manao amin’ny fanangonana sy fanombanana angon-kevitra sy fanatsarana ny fikarakarana ny tontolon’ny fananahana no atao amin’izany.
Mbola betsaka ny ankohonana tsy sahy miresaka momba ny fananahana. Saro-pady anefa ny fahasalaman’ny fananahana ka tsy tokony hafenimpenina fa resahina malalaka sy atoro ny tanora.
Tatiana A




