Apipa: Diovina ny eny Masay hatreny Andravoahangy

Ho fiatrehana ny fahavaratra, miasa andro aman’alina ny Apipa ho fiarovana ny lemak’ Antananarivo mba tsy ho sa­fotry ny rano. Eo am-panaovana ny asa lehibe manodidina ny farihin’i Masay, Ankorondrano, Manjakaray, Besarety ary Andravoahangy ny ekipan’ny Apipa amin’izao fotoana.
Fanadiovana sy faneso­rana ny fako no atao amin’izany mba tsy hanentsina ny fan­tsona sy ny lakandrano ary ny tatatra lehibe.
Eo koa ny fanamboarana sy famerenana amin’ny laoniny ny lalan-drano manodidina ny farihin’i Masay.
Efa nisy koa ny fanetse­hana olona miisa 150 nanao fanadiovana lakandrano isan’andro, tamin’ity volana ity. Nanadio ny lakandrano CR sy ny farihin’Anosy ary Marais Masay izy ireo.
Efa nanome toky ny tomponandraikitra fa tsy ahina ny tondradrano ho an’Antanana­rivo satria efa voadio avokoa ireo lakandrano ary atao isan’ andro ny fikojakojana izany.
Tokony ho tomponandraikitra ny tsirairay, ka tsy hanary fako any anaty lakandrano na tatatra, izay manentsina ny fikorianan’ny rano. Mila sahy mijoro mandray andraikitra manoloana ny toetra mamohehitra ataon’ireo minia ma­nary maloto amin’ny lakan­drano ireny. Ny fokontany ihany koa dia tomponandraikitra amin’ny fanaraha-maso ireo tsy refesi-mandidy mandoto ny tanàna sy ny lakandrano.

Tatiana A

Partager sur: