BNGRC: Rafitra mazava sy mangarahara ny tahirim-pirenena ho an’ny fiatrehana ny loza

Hiditra amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika. Mitondra ny fanazavana momba ny fitantanana ny Tahirim-pirenena ho fiatrehana ny loza na Fonds national de Contingence (FNC) ny avy ao amin’ny BNGRC. Entina hanohanana ny faritra mitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny loza ny FNC.

Rafitra famatsiam-bola hiatrehana ny loza eto Madagasi­kara ny Ta­hiry FNC. Napetraky ny fanjakana malagasy hanamafisana ny fiomanana sy fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza izany, ka hiantohana ny fisian’ ny loharanom-bola eo no ho eo raha misy ny hamehana.
Io tahirim-pirenena io izay mampiseho ny fahavononan’ ny fanjakana malagasy hanamafy ny fahafaha-miatrika ma­noloana ireo loza isan-kara­zany mety hitranga.
Ireo loza ateraky ny natiora sy loza vokatry ny asa tanan’ olombelona dia afaka hane­tsehana izany tahirim-pirenena izany avokoa. Anisan’izany ny rivodoza, tondradrano, hain­tany, loza vokatry ny afo na amina tokantrano na doro tanety, ny areti-mifindra lehibe izay mety hiteraka voka-dratsy eo amin’ny fiai­nan’ny mponina …
Ny loza saro-pady toy ny korontana ara-tsosialy sy ara-politika, fifandirana na ady kosa dia tsy tafiditra ao anatin’ ireo loza afaka hanetsehana ny FNC.
Afaka misitraka ny FNC ireo rafi-panjakana misehatra amin’ ny lafiny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, toy ireo minisitera isan-tsokajiny voakasika amin’izany sy ny sampandraharaha manokana, toy ny BNGRC. Ny kaominina koa dia afaka misitraka ny famatsiam-bola.
Anisan’ny fepetra takina voalohany amin’ny fanetse­hana ny FNC ny fihoaran’ny fahafaha-manao na fahafaha-manatanteraka ny asa fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza.
Anisan’ireo hetsika mety hahazoana famatsiam-bola ny fiomanana sy famaliana vonjimaika izay hetsika tena va­tsian’ny tahirim-pirenena ho fiatrehana ny loza.
Ho fanamafisana ny fahafaha-miatrika sy ny fahafaha-miarina aorian’ny fandalovan’ ny loza, efa miroso tanteraka amin’ny dingana famatsiam-bola izany fahafaha-miatrika izany ny FNC.

Mitondra fampandrosoana

Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fampadrosoana ny fandalovan’ny loza. Ohatra amin’izany ny fikorontanana na fihemorana amin’ny tetikasa fampandrosoana (fananganana fotodrafitrasa ara-tsosialy sy toekarena aorian’ny faharavana mety ateraky ny loza).
Mamparefo ny firenena mihitsy ny fiantraikan’ny karazana loza samihafa ary voakasik’izany ny sehatry ny tontolo iainana.
Araka izany, ny fanamafisana ny fahafaha-miatrika sy ny faharetana ara-bola ihany koa dia antoka iray hahafahana manamafy sy mamatsy ara-bola ny fahafaha-miatrika aorian’ny fandalovan’ny loza.
Ny fampitomboana ny loharanom-bola entina miatrika izany no vahaolana tsara indrindra. Eo ihany koa ny fandrafetana ny tetibola miankina amin’ny vinavinan’ny toetr’andro sy ny fanaovana tombana ara-bola mialoha ny mety ho fahavoazana amin’ny mponina, ny fivelomany ary ny fotodrafitrasa.

Partager sur: