Manatanteraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ny CHU Anosiala sy ny CHU Fenoarivo. Fizaham-pahasalamana momba ny fo sy ny lalandra ary fitiliana ny tosidra miakatra sy ny diabeta no hatao eny amin’ny CHU Fenoarivo. Hisy hatrany ny fizarana fanafody maimaimpoana mifanaraka amin’ny aretina.
Fanindroany izao ny hetsika ataon’ity hopitaly ity, raha ny tamin’ity taona ity. Tena ilain’ny mponina ary betsaka no miandry izany.
Iarahana amin’ny sinoa mpitsabo kosa ny fitsaboana hatao eny amin’ny CHU Anosiala, ny 20 sy 21 oktobra izao. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-10 taonan’ ity hopitaly manara-penitra ity izany. Ankoatra ny fizahana ireo aretina amin’ny ankapobeny, hisy koa ny tolotra amin’ny hitsaboana ny aretina mpahazo ny vehivavy. Hisy ny fijerena ny aretina mila fandidiana ary eo koa ny tsindrona volamena.
Tatiana A




