Eny ifotony: Ezahina ny tsy hampihoapampana ny fahavoazana

Ireo faritra tena marefo sy tandindonin-doza voajanahary matetika no misitraka ny tahirim-pirenena hiatrehana ny loza na FNC avy amin’ny fanjakana. Faritra 18 no hisitraka izany satria ireo no tena voasokajy ho marefo. Tafiditra ao anatiny ny any atsinanana sy avaratry ny Nosy izay fidiran’ ny rivodoza matetika. Eo koa ny any atsimon’ny Nosy izay ianjadian’ny haintany saika mandavantaona ka sahirana amin’ny famokarana…
Nahazo fampiofanana ireo ben’ny Tanàna miisa 27 eny ifotony amin’ireo distrika isehoan’ny loza matetika. Tan­jona ny hahafahana misitraka araka ny tokony ho izy ny tohana hahafahana miatrika ny mety ho fisian’ny loza amin’ ireo kaominina ireo.
Tafiditra ao anatin’ny fanapariahana sy fitsinjarana ny asa ho fiatrehana ny loza mi­tranga ny fampiofanana ho fanomezana ny toromarika amin’ny fisorohana mialoha ny fahavoazana ateraky ny loza na fanalefahana ny fiantrai­kan’izany, indrindra amin’ny olombelona.
Efa misy ihany koa ny fa­nomanana ny eny ifotony hi­vonona mialoha ny hitrangan’ ny loza, hialana amin’ny fahaverezan’aina, tsy hampihoapampana ny fahavoazana na hiteraka fatiantoka sy hampihemotra ny fandrosoan’ny tanàna iray lalovan’ny loza.
Anisan’ny lasibatra matetika aorian’ny loza ny fiveloman’ny mponina, ny rano fisotro madio, ny fahasimban’ny lalana, ny fahavakisan’ny tohodrano ka mahafefika ny tanàna sy ny fambolena. Manampy ireo ny faharavan’ny fotodrafitrasa, ny fahatapahan’ny fahafaha-mivelona, ny fahatapahan’ny fianarana sy ny fihariana, …

Nanatontosa : Tatiana A

Partager sur: