INDRAY MIJERY

Naharitra roa andro ny atrikasa fampahafantarana momba ny Incubation professionnelle ao amin’ny faritra Atsinanana, izay natao tamin’ity herinandro ity. Notanterahina tao amin’ny Lycée Privé Camp Toama­sina izany. Ireo solontena avy amin’ny Direction de l’incubation professionnelle, avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa foibe
no nikarakara izany. Nandray anjara tamin’izany ireo talen’ny ivontoeram-panofanana CFP avy ao amin’ny faritra Atsi­nanana, Analanjirofo ary Alaotra Mangoro.

Hotanterahina ny 31 oktobra ho avy izao ny fifaninanana handraisana ireo mpianatra hiditra taona voalohany ao amin’ny CFFamma Ivory An­tsi­rabe sy CFFamma Nanisana Antananarivo. Mika­tona ny 30 oktobra ny fandraisana ny taratasy fisoratana anarana hifaninana. Fiofanana ho an’ny mari-pahaizana Tech­nicien supérieur en équipement rural sy licence en machinisme agricole no atolotry ny toeram-panofa­nana. Hisokatra ny 10 novambra ny taom-panofanana ho an’ireo afaka.

Niverina ny asa rehetra eo anivon’ny Oni­ver­siten’i Toliara, nanomboka afakomaly, araka ny fanam­baran’ny fiadidiana ny Oniversite. Efa mila­mina ny zava-misy ka hitohy ny fampianarana sy ny andraikitry ny mpandraharaha taorian’ny dinika niarahan’ny mpisehatra rehetra.

Partager sur: