TSELATRA

Nitrangana haintrano tany amin’ny fokontany Mangily, Toliara II, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Ni­tsoaka mafy ny rivotra ary niitatra haingana be ny afo. Vokany, olona efatra niara-namoy ny ainy. Nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo. Ankoatra izay, trano 10 mahery ihany koa no rava sy kilan’ny afo tanteraka.
Lehilahy iray 38 taona tratra nangalatra tafom-piangonana tany amin’ny FJKM Ambatavarakely, Main­tirano, afakomaly. Nifanehitra tamin’ny Hery vonjy taitran’ ny Polisim-pirenena ao Melaky nanao fisafoana izy. Nosamborina ary nentina eny anivon’ny biraon’ny polisy nanaovana fanadihadiana. Efa niharan’ny halatra matetika io fiangonana io, raha ny fanazavana voaray.
Hetsika an-dalambe ny 25 septambra lasa teo. Mitaky ny hamoahana ireo tanora nendrikendrehina ho nandroba ka naiditra vonjimaika am-ponja ireo fianakavian’ireo ankizy sy tanora ireo. Anisan’izany, i Mario, 19 taona, mpianatra kilasy famaranana ao amin’ny Lycée Andohalo. Nirahina hividy fanafody ho an’ny bebeny na­rary mafy, ary nosamborin’ny polisy teny Tsaralalàna, ny 25 septambra teo, satria nambara fa mpandroba.
Namoahan’ny fitsarana didy hampidirana vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny vehivavy (28 taona), mpikarakara zaridaina. Voarohirohy tamin’ny famonoana nahafaty ny renim-pianakaviana sady Cheftaine teny Ampivelezandrano, Vontovorona, ny alin’ny 8 oktobra lasa teo izy. Naverina notazomina eny amin’ny biraon’ny zandary eny Vontovorona ny tenany noho ny fitokonan’ny mpiasan’ny fonja.

Partager sur: