Teny malaza amin’izao, ny fiovana sy fanovana. Tsy eo amin’ny fiainam-pirenena ihany fa eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena dia samy andrenesana fanovana sy fiovana. Mitaky izany avokoa amin’izao fotoana izao, ireo mpisehatra ao anatin’ny taranja isanisany eto Madagasikara. Hahenoana izany ary tena misongadina ireo taranja telo miavaka sy mankarary ny Malagasy ankehitriny dia ny baolina kitra sy ny rugby ary ny tsipy kanetibe. Fitakiana fanovana sa fanovana fitakiana.
Valalanina ireo mpankafy satria federasionina nitondra avo ny lazan’i Madagasikara maneran-tany ary nitondra amboara nody fa tsy nitsangatsangana toa ny sasany. Fitakiana fanovana sa fanovana fitakiana. Samy mametra-panontaniana avokoa ny rehetra ny anton’ity fitakiana manaka-danitra ity.
Ny nahitam-bokatra indray ve no hidradradradrana fanovana ? Ho an’ny mpankafy, TSIA no valiny satria nisy ny vokatra. Ho an’ireo mpanao fitakiana fanovana ENY satria nisy tsy fahaiza mitantana araka ny fahitan’izy ireo azy.
Samy manana ny fitakiany sy ny fanovana tiany hatao ny roa tonta. Ny federasionina mangataka fanovana fitakiana ka fiarahana midinika no vahaolana. Ny an’ny mpanohitra, fitakiana fanovana ka fanalana ireo mpitantana mihitsy no ilaina ka fitakiana fanovana sa fanovana fitakiana.
Fitakiana fanovana, satria anjakan’ny tsy fahaiza mitantana sy kiantranoantrano ny ekipam-pirenena ary manao didiko fe lehibe ny mpitondra ka mivaralila ny taranja. Fanovana fitakiana, fa ny vokatra nisy ka fanintsiana ny tsy nety no atao. Ka fitakiana fanovana sa fanovana fitakiana. Teny atsipy amin’ ny manam-panahy izany.
Tompondaka




