Nambaran’ny Filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, (FMF), Randriamanampisoa Alfred, ny afakomaly teo, tetsy Anosy, fa nahena noho ny antony maro ny tambin-karaman’ny Barea, tamin’ny Chan. Raha ny fanazavany, nahenan’ny Caf ilay vola 1,2 tapitrisa dolara noho ny resaka “droit TV” sy ny volan’ ny hotely fampiantranoina ny Barea.
“Notsiahiviny fa samy nahazo vola mitovy izay mitentina, 61,8 tapitrisa ariary avy ireo mpilalao 29 sy ny “staff” rehetra tamin’ny Barea Chan”, hoy Randriamanampisoa Alfred. Raha ny filazany ihany, efa nankasitraka ny federasionina tamin’io fomba fizarana io ny teo anivon’ny Caf, ary azon’ny mpanao gazety hamarinina izany. “Izahay eo anivon’ny federasionina, miezaka tsy maka amin’io vola io, fa ny hanome azy ireo aza, tena hataonay”, hoy ihany Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF.
Etsy ankilany, ireo mpilalao Barea teo aloha toa an-dry Nomenjanahary Lalaina na i Bolida, dia nilaza fa tsy mbola nisy ny tranga toy izao. “Mbola tsy naheno an’izany indray aho ! Hafa indray ity, indray mitoraka ity na tamin’ny Can izay nataoko ary mbola tsy naheno an’izany aho. Sa hafa ve ny Can sy ny Chan ? Tamin’ny Chan farany teo koa tsy nisy an’izany sa diso ve aho?”, hoy i Lalaina Nomenjanahary, na i Bolida, omaly, tao anaty tambajotran-tserasera Facebook.
Fitia Randria




