Nahita fahombiazana tsara ny ekipan’ny Al Nassr FC, nandritra ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Arabia Saodita, taranja baolina kitra. Resin’izy ireo tamin’ny isa, 5 no ho 1, ny Al Fateh, fihaonana izay notontosaina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Al-Awwal Park.
Namiratra tanteraka tamin’ity fifanandrinana ity, ny mpilalao poartiogey roa, i Cristiano Ronaldo sy Joao Felix, ary ilay frantsay, Kingsley Coman sy i Sadio Mané, kintan’ny baolina kitra ao senegaley. Nahatafiditra baolina telo tamin’ity fifanandrinana ity moa, i Felix, raha toa ka tokana avy ny an’i Ronaldo sy i Coman. Nahavita tolotra roa tsara ho an’ireto mpilalao ireto kosa, i Sadio Mané.
Mbola mampihaiky ny mpanao gazety sy ireo mpamakafaka baolina kitra any ivelany kosa, ny fahaizan’i Cristiano Ronaldo, izay efa 40 taona amin’izao fotoana izao. Ity mpilalao portiogey ity izay efa nampiditra baolina maherin’ny 800 ankehitriny ary manana baolina volamena dimy. Tanjona iray, tsy mbola azony ny amboara maneran-tany, ary milaza ny tenany, fa hiezaka ny hanome ny 100% avy aminy, mba hahazoany an’io Mondial 2026 io.
Fitia Randria




