Riders Scoot community : Nanao diabe «Fanovana ho an’ny kodiarandroa»

Satria manana tanjona hitondra fanovana ny hetsi-bahoaka natao, nanatontosa diabe « Fanovana ho an’ny kodiarandroa » ireo mpitondra kodiarandroa eto Antanana­rivo mivondrona ao amin’ny Riders Scoot community, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Makis Andohatape­naka. Nanao fitakiana mahakasika ny fiantohana sy ny Centre d’Immatriculation de Madagascar ary ny minisite­ran’ny Fitaterana izay miahy mivantana ny fitaovam-pitaterana sy ny fifamoivoizana amin’ny ankapobeny ny mpikambana, araka ny fanazavan’ny Andriamanamidona Tsiferana, filoha nasonalin’ny fikambanana Riders Scoot Community. Mangataka sampandraharaha manokana hikarakara ny kodiarandroa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana izy ireo ahazoana mandrindra sy miaro ny mpampiasa ity fitaovam-pitaterana ity. Izay rahateo no hanamora ny fanaraha-maso ny taratasy sy ny ahazoana antontanisa momba ny kodiarandroa isorohana ny halatra sy ny loza samihafa mpiseho matetika. Manampy amin’ny fandraisana fepetra ny fananana antontanisa momba ny kodiarandroa sy ny mpampiasa azy.
Momba ny CIM, efa nanana tetikasa amin’ny fanomezana laharam-pamatarana ny kodiarandro ny fikambanana ny taona 2020 ary efa natolotra ny manam-pahefana ka mamerina ny antso ho an’ ny mpitantana vaovao eo amin’ny minisitera ny fikambanana. Manana mpikambana 2500 isa amin’ny faritra dimy eto Analamanga ny fikambanana.

Vonjy

Partager sur: