Niasa mangina ary niezaka nitondra avo ny voninahi-pirenena ireo Malagasy mpilalao ping pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay natao tany Tunis. Anisan’ireo mankany Londres izy ireo, ary miatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena, ny taona 2026.
“Mitohy ny sidina” ! Tafakatra amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, any Londres, Angleterre, ny taona 2026, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, “Ping pong”, ny ekipa nasionaly malagasy. Nahazo an’io tapakila io ny Malagasy mpilalao rehefa tafita teo amin’ ny ampahefa-dalan’ny lalao isan-tarikan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay notontosaina tany Tunis, Tunisie, ny 12 – 19 oktobra lasa teo.
Araka ny fanazavana azo, manana solontena valo ny aty amin’ny faritr’i Afrika, amin’io fifanintsanana isan-tarika io, ka anatin’izany ny Malagasy. Raha ny fikarohana natao, nahintsan’i Algerie tamin’ny isa 3 no ho 0, teo amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny solontenan’ny Malagasy vehivavy, izay ahitana an-dry Prevot Edena, sy Raharimanana Hanitra Karen ary Randrianarisoa Niantsa. Teo amin’io dingana io ihany koa, raraka ny lehilahy malagasy mpilalao, rehefa resin’i Maroc, 3 no ho 0. Izy ireo izay ahitana an-dry Rakotoarimanana Fabio sy Razafinarivo Antoine ary Rakotoarisoa Setra.
Marihina fa nandray anjara tamin’ny lalaon’ny tsirairay ihany koa ny Malagasy, saingy nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana i Karen ary tany amin’ny manasa-dalana vao lavo i Fabio. Azo lazaina fa tsara ny vokatra ary izao ihany dia tokony hiomana sy hikarakara amin’ny fampandehanana azy ireo amin’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity ny Federasionina, mba hialana ilay resaka hoe : “Sahirana noho tsy fahampian’ ny enti-manana…”. Hinoana sy hantenaina fa handray an-tanana an’ izao vokatra tsara izao ny eo anivon’ny Fanjakana.
Fitia Randria




